Brèves
Webcast TechDays 2013
Posted April 9th, 2013 by RTNSalama daholo
Eefa nivoaka izao ny Webcast tamin'ny TechDays 2013. Hita amin'izany fa tena mihazakazaka tokoa ny teknolojia. Efa famoronana laminasa Windows 8, Windows Phone 8, HTML5, asp.net MVC 4, .Net 4.5, windows Azure izao indray no tena hita tao.
Inty azany ny rohy Webcast Techdays 2013 raha hijery ianao.
Laminasa Windows 8
Posted December 11th, 2012 by RTNManao ahoana daholo e!
Elaela kely indray tsy nandalo, fa vao avy nametraka Visual Studio Express 2012 aho io teo ambon'ny Windows 8.
Nanandrana laminasa tsotsotra ka toa izao ny vokatra hita rehefa tonga amin'ny "Acceuil" ny Windows 8.

Marihana fa mila manana Compte Windows Live (Hotmail taloha) rehefa hametraka izany ianao, maimaipoana izy io, fa mila activer matetika (isambolana raha tsy diso aho) fotsiny ny Compte développeur mifatotra aminy.
Inty ny rohy raha haka an'izany ianao: VS 2O12 Express.
[Java] GWT (Google Web Toolkit)
Posted July 3rd, 2012 by RTNEfa nikirakira Java kely ihany aho taloha fa hitako nananosarotra ny fikirakirana sy fametrahana azy.
Akory ny hagagako raha nanomboka nilalao GWT aho, tena tsotra tokoa ny mametraka azy anaty Eclipse sy mamorona laminasa iray vaovao, ary indrindra ny mandefa azy.
Inty ny rohy ahazahoana ilay plugin Eclipse
Ny ahy moa izany Eclipse 3.7 (Indigo) dia inty no nampiasaiko http://dl.google.com/eclipse/plugin/3.7
Mila mandeha ao amin'ny Menu Help/Install New Software dia hapetraka eo ilay rohy dia lasa zao....
Rehefa vita zay dia ireto ny avy ny kirakira hatao.
1°/Manamboatra laminasa GWT vaovao
New Web Application Project

rehefa vita io dia misy varavarakely misotra,hametrahana ny anaran'ilay laminasa sy mombamomba azy.

Microsoft Research : Fizarana fitaovana avy lavitra
Posted February 28th, 2012 by RTNInty misy oronantsaryIllumishare mampiseho ny mety hoavin'ny teknolojia,fizarana fitaovana avy lavitra nataon'ny Microsoft Research.
HTML5 no hanjaka
Posted February 7th, 2012 by RTN
Nanomboka androany ny Microsoft Techdays 2012.
Seho HTML5 sy CSS3 miaraka amin'ny IE10 no natrehako. Betsaka ny zavatra vitany, ao ohatra ny MutliThread amin'ny Javascript, 3D amin'ny CSS, WebSocket sy ny maro hafa koa.
Mbola misy anefa ny kirakira mbola tsy hitambaran'ny Browser rehetra,ka lasa mampiasa lakile ms- ohatra microsoft, noho izany mbola mila miandry kely angambany vao tena hoe tomombana tsara ny HTML5,izany hoe tonga dia kody iray fotsiny dia mandeha amin'ny browser rehetra.
Marina hoe mbola manaiky plugIns ny Windows 8 desktop, ary ny Windows 8 Metro kosa dia tonga dia HTM5 no hampiasainy.
Microsoft TechDays's 12
Posted January 27th, 2012 by RTNAraka mahazatra isan-taona moa zany dia hanao TIKANDRO (TechDays) indray microsoft ny 7,8 ary 9 Febroary hoavy zao.
Inty ny rohy raha hisoratra anarana amin'izay ianao.
Resaka Cloud, Windows 8, HTML5 moa izany no tena voaresaka betsaka indrindra ao.
[
owncloud
Posted January 1st, 2012 by arimanana01Ahoana indray ny fandehan'ity owncloud ity e?
rohy :
http://www.presence-pc.com/actualite/owncloud-46119/
http://www.owncloud.com/
Recent comments