Navigateurs : score gasy
Ny zavatra tsikaritra, dia hay va re efa ela ny Firefox no nanjaka teo amin'ny malagasy. Ary tena nanjaka be mihitsy. Ny nosy Maorisy ihany angamba no manana score mitovitovy amintsika eo. Inona ary no mety ho anton'izany ?
- ny gasy ve no mora mandray fiovana (raha nisy fiovana tao) ?
- sa informatisiana daholo no gasy mijery internet ?
- sa lamaodin'ny cybercafé ny firefox ?
- sa io vohikala io no tsy mahay manisa ?
- sa zavatra hafa ?
Raha jerena ny score amin'ny firenen-kafa rehetra (ankoatra ny rosiana izay anjakan'ny Opera sy FF, mba hafa kely koa) dia ny IE foana no nanjaka, na dia midina hatrany aza ny score-ny. Na ireo firenena eoropeana io, na amerikana avaratra/atsimo, na aziana, na afrikana. Izay vitsivitsy nojereko aloha, fa tsy voajeriko daholo ny firenena rehetra miisa aman-jatony. Fa dia toa isika irery no miavaka be eo.
- vitsy ilay échantillon
- vitsy ilay échantillon noraisina tsy maneho ny ankabeazan'ny mpanjifa hoy aho
'zaho aloha de Opera forever
'zaho aloha de Opera forever e
Mety hoe linux + Firefox koa
Mety hoe linux + Firefox koa no tena hampiasain'ny Cyber café matetika ohatra.
Nefa any am cybercafe no tena betsaka mpisurf indrindra
Rehefa any Dago dia Firefox
Rehefa any Dago dia Firefox no betsaka amin'ny cyber. Ny ankamaroany amin'io mampiasa windows. Io mihitsy no sokafan'ny assistant voalohany.
Ny antony tsotra dia rapida kokoa ilay Firefox kanefa ny connexion miadana. Dia rehefa Firefox no sokafana dia tonga dia mahita zavatra ny mpisurf. Tena miteny mihitsy aza ireny mitantana cyber ireny hoe Firefox sokafana dia tsy ela be.
-----
"Tsiky dia ampy"
Mila blaogy?
http://blaogy.com
Efa ela ity resaka ity sady
Efa ela ity resaka ity sady efa niova ny isa, ny mpampiasa IE dia toa nampiasa Chrome daholo ary ny mpampiasa Opera dia niena ka resin'ny Safari .
Raha resaka mobile indray dia Opera no mandeha tsara, izaho koa mampiasa amin'ny iphone-ko sy nokia-ko
Opera Mini Fa ilay Chrome
Opera Mini
Fa ilay Chrome indraindray hitako mihinana ressource be tampoka zany, miodina haingana be mihitsy ny ventilo indraindray...
Toa tsy dia niova firy ny
Toa tsy dia niova firy ny isa ka.
Fa mety mahaliana marina izao raha misy tarehimarika momba ny surf @ mobile an! Tarehimarika dago sy international