Wifi manao micro-coupure
Manahoana.
Sao mba misy mahita hevitra ity olana kely ity. Rehefa mampiasa Wifi aho dia tapaka ny connexion rehefa idle ny application. Misy protocole hoe 5250 izay, karazana telnet izy io, iasako, dia ny olana rehefa mampiasa wifi aho ka elaela tsy mikitika an'ilay fenêtre telnet io (izany hoe tsy misy échange serveur/client), dia fermen'ny any amin'ny serveur ny session-ko, ka rehefa vonona hanoratra amin'izay aho dia indrisy fa efa tapaka ilay izy, dia tsy maintsy mamerina mampiditra mot de passe sy login indray. Rehefa tsy amin'ny wifi anefa dia na adiny 5 aza tsy mikitika an'ilay fenêtre aho dia tsy mba tapaka izany.
Ny olana goavana dia indraindray ohatra manao débogage aho ao amin'io fenêtre io, dia tapaka eny an-tenantenany ny session dia olana be ny manao restauration an'ireo données voaova amin'ny ampahany.
Mety hoe avy amin'ilay wifi ve ny olana sa avy amin'ny machine? PROLINK WNR1004 izay ilay wifi, dia Vista Home Basic ny OS. Tsy misy ifandraisany amin'ny signal ilay izy fa na mifanakaiky eo aza ny routeur wifi sy ny solosaina dia tapaka foana raha vao idle. Ny eritreritro dia any amin'ny resaka fitsitsiana angovo no mety mipetraka ny olana, hoe rehefa tsy miasa elaela ilay connexion dia tapahan'i Vista ny fifandraisana wifi.
Ohatra ny hoe session
Ohatra ny hoe session timeout izany ilay izy, kanefa raha izay dia tokony ho tapaka koa rehefa alefa @ cable
Raha azoko tsara manko, tsy ny connexion wifi no tapaka, fa ny session telnet? Sa tapaka tanteraka ny wifi? Raha ilay fitsitsiana angovo manko dia tokony hoe maty mihitsy ilay module wifi, dia tokony tsy mirehitra intsony koa ilay led kely temoin.
Ny zavatra hafa rehetra
Ny zavatra hafa rehetra mandeha ka, fa ilay telnet ihany no session timeout. Io protocole io izany misy an'izay hoe mandefa signal Are You There ilay serveur, dia mila valian'ilay client hoe "Mbola ato aho", ka io no ahiako hoe tsy mahavaly an'io hoe "Je suis là" io ilay client fa tapaka.
Tsy mety configurena amin'io tlntadmn io koa nefa le izy fa le protocole tsy tena telnet madiodio dia mamaly fotsiny hoe The network path was not found. En tout cas, merci.
Asio maso kely ihany hoe ity
Asio maso kely ihany hoe ity sao dia mety misy itovizany amin'ilay blem : rohy
Merci fa tsy mbola sitrana
Merci fa tsy mbola sitrana e! Tsy nanova inona ilay izy.
Ary ao amin'ilay routeur wifi mihitsy ny olana, fa tsy eo anivon'ny wifi. Satria misy entrée cable réseau 2 ilay izy, dia raha ataoko OFF aza ny radio fa connecté @ cable aho fa mandalo an'ilay routeur dia tapaka ihany ny connexion rehefa idle elaela. Nefa raha vao direct @ modem dia tsy tapaka mihitsy.