[Java] GWT (Google Web Toolkit)
Efa nikirakira Java kely ihany aho taloha fa hitako nananosarotra ny fikirakirana sy fametrahana azy.
Akory ny hagagako raha nanomboka nilalao GWT aho, tena tsotra tokoa ny mametraka azy anaty Eclipse sy mamorona laminasa iray vaovao, ary indrindra ny mandefa azy.
Inty ny rohy ahazahoana ilay plugin Eclipse
Ny ahy moa izany Eclipse 3.7 (Indigo) dia inty no nampiasaiko http://dl.google.com/eclipse/plugin/3.7
Mila mandeha ao amin'ny Menu Help/Install New Software dia hapetraka eo ilay rohy dia lasa zao....
Rehefa vita zay dia ireto ny avy ny kirakira hatao.
1°/Manamboatra laminasa GWT vaovao
New Web Application Project

rehefa vita io dia misy varavarakely misotra,hametrahana ny anaran'ilay laminasa sy mombamomba azy.

aza hampiasaina ilay Use Google App Engine aloha, satria tsy mbola hiditra anaty rahona sika.
2°/Compilation
GWT Compile Project
Inty manaraka inty no hatao raha hanao compilation

rehefa mivoka ny varavarakely eto ambany dia soloy Pretty ilay Output style satria hofanina ianao raha hanao debug javascript raha tsy izany.

3°/Halefa IFG_GWT
Rehefa handefa ilay laminasa dia tsindriana ilay telozoro miraikitra amin'ilay bibikely maitso io. Fidiana avy eo ilay anaran'ilay laminasa, eto izy zany IFG_GWT, ohatra hasehon'ity sary ity:

Toy izao azany ny vokatra azo taorinan'izany fihetsiketsehana rehetra teo izany:

Mampiasa serveur Jetty izy io rehefa haneho ny vokatra.
Hitanao amin'izany azany fa tsotra dia tsotra tokoa ny fanamboarana laminasa GWT, koa asa misalasala aza manandrana, satria
io zao amin'izao fotoana no teknolojia manomboka betsaka mampiasa aty andafy.
Rehefa te handalina lalina dia afaka mamapiasa UIBinder.
izay aloha no azo zaraina aminareo androany fa dia amin'ny manaraka indray.
mitady hiova taranja angaha
mitady hiova taranja angaha RTN izany ?
Ohatran'ny somary manitona ny hianatra ihany aloha fa aleo rhefa misy fotoana kely, ny ahy izao ny ataoko dia ilay ASP.NET MVC 3 fa tena hitako tsara, tsy hanam-potoana hamitina azy kanefa fa tena milay ilay izy.
Mampiasa jQuery be ny partie client fa na izany tena hitako tsara
Mazotoa eh
Efa nanampy taranja mihintsy
Efa nanampy taranja mihintsy ka, sady manao .Net sy Java za zao any ampesana.
Ilay koa miankina amin'ilay mission moa za koa tsy nanda. Fa tsara le izy ka, sady tsy dia manavao satria mitovitovy ihany amin'ny .Net ihany.
Tsara io ASP.Net MVC 3, indrindra ilay misy velocity. Jquery moa tsy lazaina intsony. JQuery Tools zao no hampiasainay zao.
Misaotra dia mazotoa e, aza misalasala manoratra lahatsoratra raha vao misy fotoana