Brèves

Infogasy.net mampiasa Drupal7

Sujet: 

Efa taona maromaro ihany izay no nisian'ny infogasy.net ary efa elaela ihany no tsy nanavaozana ny motera ao anatiny. Koa amin'izao voalohan'ny taona 2014 izao dia nanapa-kevitra kely mba havaozina hampiasa ny fitaovana farany miasa ny takelaka. Koa satria Drupal no miasa eto amin'ny infogasy.net dia hotohizana izany, amin'izao ary dia mampiasa ny Drupal 7 ny takelaka. Mety mbola hisy zavatra vitsivitsy tsy mivoaka tsara kanefa inoana fa tsy ho ela dia hilamina daholo izany. Eto ihany koa no anararaotana miarahaba sy mirary soa ny rehetra taona feno fanambinana amin'izao 2014 izao.

Fametrahana Android anaty PC

Sujet: 

Salama daholo

Faly miarahaba antsika rehetra tratry ny taona 2014, holavitry ny Virus ary hanakaiky ny fiadanana.

Nisy lalao Angry Bird Go izay tian'ny ankizy holalaovina anaty Tablet kanefa tsy mandeha amin'ilay Tablet-dry zareo ilay izy.

Dia ny vahaolana hitako izany dia mametraka Android anatin'ny Windows 8 mampiasa Virtual Box.

Eto ny rohy raha hanandrana izany ihany koa ianao.

Chrome To Phone

Sujet: 

Salama daholo
Misy laminasa Google hitako tsara inty, zaraiko aminareo

Indraindray mantsy amin'ny orinasa voasakana ny tranonkala sasantsany anisan'izany youtube. Dia ny vahaolana raha manana finday Android ianao dia Chrome to phone.

Hapetraka ny Extension Chrome to Phone amin'ny Google Chrome ny solosaina, dia laminasa amin'ny finday dia lasa zao....

Android HUD

Sujet: 

Hoan'ireo izay manana fitaovana mampiasa Android dia misy "Application" hatsoina hoe Navier HUD Navigation azonao hapetraka maimaipoana.

Hapetrakao eo amin'ny "Tableau de Bord" ilay finday ohatra, dia lasa mivoaka amin'ny fitaratra alohan'ny fiara ireo vaovao isan-karazany. Rehefa somary malomaloka na harivariva iny ny andro no tena mivoaka tsara ilay izy.

Laminasa Windows 8

Sujet: 

Manao ahoana daholo e!
Elaela kely indray tsy nandalo, fa vao avy nametraka Visual Studio Express 2012 aho io teo ambon'ny Windows 8.
Nanandrana laminasa tsotsotra ka toa izao ny vokatra hita rehefa tonga amin'ny "Acceuil" ny Windows 8.

[Java] GWT (Google Web Toolkit)

Sujet: 

Efa nikirakira Java kely ihany aho taloha fa hitako nananosarotra ny fikirakirana sy fametrahana azy.
Akory ny hagagako raha nanomboka nilalao GWT aho, tena tsotra tokoa ny mametraka azy anaty Eclipse sy mamorona laminasa iray vaovao, ary indrindra ny mandefa azy.

Inty ny rohy ahazahoana ilay plugin Eclipse

Ny ahy moa izany Eclipse 3.7 (Indigo) dia inty no nampiasaiko http://dl.google.com/eclipse/plugin/3.7

Mila mandeha ao amin'ny Menu Help/Install New Software dia hapetraka eo ilay rohy dia lasa zao....

Rehefa vita zay dia ireto ny avy ny kirakira hatao.

1°/Manamboatra laminasa GWT vaovao
New Web Application Project

rehefa vita io dia misy varavarakely misotra,hametrahana ny anaran'ilay laminasa sy mombamomba azy.

Pages

Subscribe to RSS - Brèves