Adobe Flex lasa Open Source ihany koa

Valin-kafatra ho an'ny Microsoft Silverlight ve ny fanambaran-dry Adobe fa hoe lasa Open Source ny Flex (Licence Mozilla)

Hitako hoe tsy maintsy nanao an'ireo ry lerony satria mantajaka be ny investissement nataon'i Microsoft tami'nny Silverlight.

raikitra izany ny fifaninana, hilaina tokoa io amin'izay mahazo zavatra tsara.
jereo eto..

Inona ilay Admobe Flex ry zalah fa tena tsy haiko mihitsy

Raha ohatra ka hampiatahana amin'ny silverlight izany dia
XAML sy Javascrit (.Net), MXML sy actionscript (Flex).

Fomba iray ahafahana manamboatra application flash amin'ny alalan'ny XML sy actionscript.

Ilay Flex kosa aloha mora lavitra noho ilay silverlight e!
Sady izy efa matotra tsara ,flash player rahateo efa azo antoka hoe maro no mampiasa azy.
Ny mampalahelo dia ity olana misy eo amin'i Adobe sy Apple ity.

Raha hoe matotra aloha dia ekeko fa ilay hoe mora lavitra noho ny silverlight ilaina adihevitra satria iza no mora kokoa mikaody amin'ny action script sa amin'ny C#, vs 2010 sa Adobe Flex Builder?

Ilay resaka Adobe sy Apple indray resaka stratejika mihintsy.

Apple hoe fa tsy Adobe sy Apple. Satria na ny silverlight koa aza tsy mandeha.

Io ihany ilay efa saika nahafaty ny mac dia mamerina indray. Youtube fotsiny no mba tena hoe mpandefa video malaza afaka miasa am ipad fa vao dailymotion sns dia tsy mandeha.

Ny tiako tenenina dia aza manahy be loatra ny amin'i Apple fa betsaka ny mpanamboatra pc no miketrika tablet hifaninana aminy.

Par experience aloa dia hitako fa mbola lavitr'ezaka ihany ny dia ataon'ny Flex, satria raha mbola ny moteur flash ampiasainy @ zao dia mbola misy zvt maro ts tonga lafatra.
Nanao application lehibe t@ Flex izahay (RIA) nampiasa J2ee - Spring + hibernate - sy BlazeDS , fa betsaka ny fuite de mémoire au niveau flex, ary ny garbage collector ampiasainy dia ts azo atokisana loatra satria izay instance allouée @ mémoire dia tsy azo antoka ho liberé na dia ts miasa intsony aza le objet.
Io no olana goavana niatra taminay nanao le projet, sady nampiasa Amcharts flex, izay source fuite mémoire raha vo betsaka ny point géréna @ charts. Raha appli kelikely aloa dia ts maninona ny mampiasa le Flex fa raha vo projet lehibe, na koa manomboka migerer données maromaro sy misy popup maromaro dia manomboka mihinana ressource izy. Ny poste client anefa mety ts mi-permettre an'zany satria tsy voatery matanjaka foana ny poste client.
Raha sahala amiko aloa dia aleoko lavitra mampiasa GWT raha RIA java na Silverlight raha .Net e.


switch(me)
{
case null: 1 + 1 = 1;
default : me = !Einstein ;
}

misaotra amin'izay fitantarana ny traikefa rehetra izay fa nahaizana zavatra.

Hiaro kely ny Apple za, ny Iphone 4 zao betsaka noho ny Iphone 3G ny hovoavarotra.

Tsy resaka teknolojia no tena mahasarika ny olona fa lasa tafiditra ao anaty lamaody ireo fitaovana Apple.

Nampitaha samsung galaxy spica misy android sy Iphone 3Gs za fa tena aleoko lavitra ilay Iphone, resaka ergonomie tena hafa mihintsy.

sady mbola tsy matotra tsara ilay android, asa ilay kinova farany hanao ahoana? Ny olana kely dia mila miandry hoe efa vonona any amin'ny fikirakirana Samsung vao azo hovaina ny android, Iphone nefa vao mivoaka ny Ios 4 dia efa azo hapetraka amin'ny Itunes.

Fenonantenaina <<< Misy fanontaniana : Eto M/kara ve izany ? Manaraka izay, raha ny fahazoako azy dia RIA ihany ny Flex, entina hampisehoana ny vokatry ny fiantsoana ny data. Ny tontolo mpampandroso no misahana ny fandraisana ny fangatahana fiantsoana data, ny fandefasana izany, ny fangalana ary ny famerenana ny valin'izany mankany amin'ny RIA. Raha izay, raha ny olana tanisainao ve, tsy tokony ho any amin'ny tontolo mpampandroso no zahana ndrao misy olana... ? Sao itovizana ihany ny olana atrehanareo na Flex, na Silverlight, na Titanium... ny RIA ampiasaina.

Rehetra <<< Iza amintsika (eto M/kara) no mampiasa Flex ? Amina laminasa toa inona ? Ary inona ny tontolo mpampandroso miaraka aminy (Java/JEE, ColdFusion, PHP...) ? Sao misy fiaraha-miasa azo dinihina...

JioB :
Eto Madagasikara izany. Partie vue ihany aloa ny ampiasainay Flex. Raha sahala amiko manokana aloa dia ts dia misy olana iraisana angamba ny fampiasana azy sy ny Silverlight na ny GWT, satria raha ny olana hatrehinay @ Flex dia ny resaka libération mémoire allouée.
Ny olana lehibe dia ao @ le moteur flash satria io ihany no moteur handéhanan'ny application Flex (ireo fichier swf azo avy aminy).
Amiko izany dia ts le Flex no olana fa na hamoaka version vaovao foana aza ny Adobe dia mipetraka foana ilay olana raha tsy ilay moteur flash mits no miova.
Ny fiarahamiasa indray aloa mety ts dia hisy olana loatra raha toa ka ilaina.


switch(me)
{
case null: 1 + 1 = 1;
default : me = !Einstein ;
}

Ny vaovao aloha no alefako dia avy ny ady hevitra.

1 - Hivoaka ny Flex 4.6 amin'ny faran'ny volana. Izay manana Flash Builder 4.5 dia afaka mampakatra azy maimaimpoana ho Flash Builder 4.6.
Ny tena miavaka amin'ny 4.6 dia ny fanamorana ny fanamboarana apps ho an'ny mobile device. (tab sy smartphone)
2 - Ny herinandro lasa teo dia nilaza ny Adobe fa hijanona tsy hiantraika intsony amin'ny fandefasana Flash amin'ny mobile device. Izany hoe ny Flash Player farany amin'izao izany sisa no handeha amin'ny mobile. Miaraka amin'izany koa mazava ho azy ny Flex. (Maro ny mpiasan'ny Adobe no voaroaka noho izany).
3 - Nilaza ny Adobe fa ny Flex (izay voalaza etsy ambony fa Open Source), sy ny BlazeDS (fanafainganana ny fifandraisan'ny Flex sy ny server) dia homeny ny Apache Foundation.
4 - Nilaza ny RIM (Research In Motion), izany mpamboatra ny Blackberry fa mbola hampiasa ihany ny Flash amin'ny Playbook.

Ireo no tena misongadina fa jereo eto ny tohiny.

Dinika:
Ianareo izay mamboatra site miankina amin'ny Flash Player manaraka eo dia aza manantena be loatra ny Android intsony. Mino aloha aho fa ireny site feno flash ireny dia mbola handeha daholo e!

HTML5 hoy ny Adobe no hikatrohany raha resaka internet. Adobe Edge. Tsy haiko loatra hoe naninona no tsy natsofony niaraka tamin'ny Dreamweaver io fa nanaovany logiciel mitokana. Iza intsony no hampiasa Dreamweaver raha izany?

Ny fahitako azy indray, raha todihina ny lasa, dia ny tena nampanjaka ny Flash taloha dia ny tsy fahafahan'ny browser hanao zavatra maro. Indrindra fa teo amin'ny sarimihetsika sy feo. Ankehitriny efa dila izany amin'ny HTML5, ka ho foana tsikelikely ny filàna Flash.
Kanefa ity no olana. Hitako fa fika handakana ny Flash fotsiny io fa rehefa afaka kelikely eo dia ho raikitra indray ny adin'ny browser, manampy koa ny device. Ka io HTML5 sy CSS3 io dia samy hanana ny fampiasany azy indray ny Mozilla, IE, WebKit sns... dia ho avy indray ny
if(iOS)
...
else if(...)

Tsy aleo ihany Flash.

Faharoa, ny tena hitako fa tsy afaka ialako amin'ny Flash amin'ny zavatra ataoko dia ny Pixel Bender. Tsy hitako velively avy eto hoe inona amin'ny HTML5 (izaho koa moa tsy dia mahalala loatra an'ilay HTML5), no afaka manao image processing.
Ny Adobe koa namboatra ny Stage 3D izay engine hiasa amin'ny Flash 3D. Tsy haiko koa hoe inona amin'ny HTML5 no hahavita 3D izany.

Ka anao no mandinika. Fa raha ny hevitro, raha mpampiasa ordi ny olona ketrehinao hampiasa ny site-nao dia tsy blem ny Flash sy Flex.