Freewares


Efa betsaka ireo guide freeware amin'ny aterineto, saingy samy manana ny mahasamihafa azy daholo. Ity iray eto amin'ny ifg ity dia natao mba ho :

- ahitana ireo izay anisan'ny tsara indrindra
- tsy feno karazana logiciel be dia be ka tsy ho hita intsony izay halaina
- hifanaraka amin'ireo izay zavatra ilaina matetika
- tsy mifefy amin'izay opensource irery
- ezahana asiana fanazavana fohy amin'ny teny malagasy momba ny rindrankajy atolotra.

Marihina fa izay maimaimpoana (izany hoe vidiny = 0 ariary) no atolotra eto. Tonga dia azo ampiasaina izany ho an'ny olon-tsotra amin'ny ankapobeny. Ho amin'ny fampiasana azy ireny amin'ny orinasa kosa, dia iangaviana ny hamakiana tsara ny license.

`
Efa misy azo jerena ao kanefa angatahana an'ireo izay mahalala mba hanampy hameno azy. Ohatra hoe raha mpanao multimedia ianao ka mahalala freeware tsara sy mahaliana, dia aza misalasala mizara. Ankoatra ny famenoana ny tsy ampy, dia mba ilaina koa ny fanitsiana izay diso.

Raha afaka manova mivantana ianao dia tonga dia ataovy anaty lahatsoratra. Raha tsy izany dia ataovy eo amin'ny tsikeran'ny pejy aloha fa homen'ny admin alalana hanoratra ianao avy eo. Aza hadino fa misokatra malalaka ho an'ny rehetra ny ifg.

Dia sady tolotra izany izy ity no fangatahana e :-)

Sujet: 

Heviteny

Tena mila kosa izy izany an.

tena mba vonjeo ry zareo fa tsy hitako daholo ny icône teo amin'ny bureau. Inona no tokony hataoko sao gadrain'ny debako aho. fozaorana hono io