"Jeux" FANORONA vita malagasy

Miarahaba antsika rehetra,

Mba te hanamboatra jeux Fanorona aho.

Raha ny heritreritro aloha dia atao VB dia affichage DirectX, Fa azo heritreretina ihany koa ny hanaovana azy amin'ny zavatra hafa ohatra hoe Flash

Amin'ny lafiny fanamboarana aloha dia tsy dia misy olana loatra.

Ho an'ireo izay miheritreritra hoe : "FAUT PAS REVER 8-)" dia ireto misy zavatra mba efa nataoko tany aloha tany :

http://www.vbfrance.com/codes/BREAKERBAWL_51194.aspx (Jeu casse brique VB6 ity ary affichage DirectX)

http://www.vbfrance.com/codes/JEU-TIR-ARC_51190.aspx (Ity indray Jeu Tir à l'arc @ line() sy circle() vita VB6)

Misy jeu de société ihany koa fa tafakatra 400Mo ka tsy hita izay hanaovana azy en ligne.

Ny olana kely fotsiny eo amin'ilay hanaovana jeu fanorona dia izaho tsy mahay fanorona ka raha mba misy mazoto hanampy dia raisina an-tanan-droa.

Dia Misaotra mialoha e.

xranto

Forums: 

Salut xranto.

Ny lalao fanorona aloha dia efa misy en ligne. ( http://boardspace.net/french/about_fanorona.html ) Izaho efa nanandrana nanao fanorona tao @ Facebook fa kamo be izaho hanohy azy. ( http://apps.facebook.com/fanorona )
Izaho afaka manampy amin'ny fanoroana ny lalànan'ny lalao fanorona, izay mba haiko. Tsara raha afaka miresaka mivantana (chat).

Ilay VB aloha tsy dia tsara e, Flash no tsara! Ilay nataoko tao @ Facebook izao pur javascript, fa kelikely ihany sisa tsy nampety azy tao. Ny ao @ boardspace.net io izao mandeha Java, dia izaho mba te hanao application tsy mitaky zavatra sarotra ho an'ny cyber aty Dago satria aty dia misy cyber na ny flash aza tsy installé ao. Raha azo atao dia keep it simple, stupid.

XMPP: mahefa[dot]randimbisoa[at]gmail.com
skaipa: mahefa.randy

Salut,
Tadidio fa raha hanao jeux iray ianao, dia tsy tokony hieritreritra foana hoe olona roa no hilalao, fa tsy maintsy mijery ny coté IA. Tsy mahaliana loatra mantsy raha tsy maintsy olona roa foana no hilalao azy.
Ekeko fa mety mahay milalao DirectX ianao ry xranto saingy tsy ampy izany raha hanao jeux iray tahaka ny fanorona ianao. Efa mahafehy ny IA @ jeux vidéo ve ? ary efa nanao pratique t@ projet kelikely tahaka ny fanorontelo na fanoron-dimy ?
Tadidio fa ny IA @ jeux d'echec aza mbola mora noho ny @ jeux fanorona, satria. Ny jeux d'echec indray mihinana fotsiny dia izay, fa ny fanorona afaka mihinana indray, na indroa, na maromaro (raha mbola afaka mihinana). Ny pion iray mety afaka mi-se déplacer @ position 1 nefa mety ho tsy latsaky ny 10. Rehefa tonga @ partie mi-paika iny ny lalao (tsisy afaka mihinana), dia eo koa mbola tantara hafa.
Izaho akory tsy te hanakivy anao, fa tiako ny olona tia karokaroka, fa mba ho fanampiako anao dia mianara aloa fanoron-tsivy dia avy eo mitadiava fomba ahafahanao mijery ny coté IA. Aza mbola mijery ny partie "Vela".
Ny outil ampiasainao ndray tsy probleme loatra na inona na inona rehefa mety tsara ny partie conception.
Ny hevitra farany atolotro anao, manangana communauté fanorona iray, de disponible sous svn ny source, de afaka mi-dev ao daholo izay liana sy maniry ny hanomé ny talentany.
Fa manomé toky anao za fa raha vitanao izay dia mety @ ity taona ity dia hisy version fanorona hivoaka, na dia version alpha na béta fotsiny aza.
Na izaho manoratra izao aza dia mba liana ihany koa @ izay hevitrao izay. Mazotoa dia mahereza.


switch(me)
{
case null: 1 + 1 = 1;
default : me = !Einstein ;
}

Bonjour, daholo,
Efa misy ny fanorona miaraka amin'ny moteur intelligent. Sous DOS satria dia efa tamin'ny 1997 no nahavitana azy ireo, sous Turbo Pascal no nanaovan'ny ISPM(Antananarivo) sy ny ENI(Fianarantsoa) azy tamin'izany. Ny "vela" no tsy fantatro raha efa nisy nahavita, fa "ady" ireo vita ireo.
Hanao version VC++.Net aho dia ho zaraiko eto amin'ny infogasy, DotNet satria mieritreritra ny hanao version sous Windows Mobile 5 na 6 aho.
Mazotoa daholo.

Salama e
Tsara mihintsy izay hevitra izay, fa azo hatao koa ny manamboatra azy amin'ny XNA na silverlight satria Windows Mobile 7 efa Systeme hafa mihintsy. Izay mandeha amin'ny 5 sy 6 mety tsy handeha amin'ny WP7.

Bonjour,

Nijery sites SilverLight sy XNA aho, dia nahita fa plugins mandeha ambony DotNet ny SilverLight ary mila DirectX. Jeux mila animations graphiques no tena ampiasana azy (raha tsy diso aho :-?). Raha ny fijeriko dia tsy mbola mila animations graphiques be manao ahoana aloha ny fanorona ho atao (ohatra hoe misy olona kely mibata ve ny pion eo ambony akalana rehefa "mipaika" na "mihinana"? :-(). Aleo aloha atao interface graphique tsotra @ VC++.Net/VS2005, azo asiana DirectX raha tiana asiana endriny kely, sahala @ hevitry xranto.

Tsy mitovy hevitra @ ra-RTN koa aho aloha amin'ny hoe tsy handeha amin'ny Windows Phone 7 ny programme natao @ VC++.Net/VS2005. Ny mifanohitra @zay no marina, ny technologie vaovao multimedia @ WP7 raha natao t@ VS2010, dia mino aho fa tsy handeha amin'ny Windows Mobile 5 na 6. Izany resahantsika izany no atao hoe "compatibilité ascendante": politique commerciale io amin'ny fanamboarana logiciel, tsy i MicroSoft mihintsy no tsy hanatanteraka izany. Ny programme fanorina namboarinay tamin'ny 1997 (version DOS misy programmation bas niveau carte graphique, souris,...) aza mbola mandeha amin'ny WinXP. Sady Be mpampiasa koa ny Windows Mobile 5 sy 6 noho ny WP7, tsy azo ariana ireny client ireny fa marketing daholo izany. Tsy maninona e, raha sanatria tsy mandeha dia compiler-na amin'ny VS2010 ilay programme VC++.Net dia mahazo plateforme WP7. ;-)

Ny zava-dehibe aloha dia ny fametrahana ny moteur intelligent. Hamaly an'i xranto sy Fenonantenaina aho momba ny fomba nanaovanay ilay programme tamin'ny 1997. Technique iray ao amin'ny Recherches opérationnelles avancées ny "Arbre de mini-max", miaraka amin'ny "coupe alpha" sy "coupe beta", io no base fanaovana ny jeux de stratégie sahala amin'ny Fanorona, Echec,... Tsy dia tena domaine IA loatra izy io, fa algorithme fotsiny ihany: exploration arbre N-aire en profondeur. Azo jerena ao @ google, dia misy fanazavana betsaka ao. Ny spécifique kely fotsiny dia ny fomba fanomezana évaluation ny racine-n'ilay arbre: eo no ilazanao hoe rehefa ahoana no mandresy na manana tombony ny mpilalao iray.

Matahotra kely fotsiny aho hoe VB6 ve mety ahavitana structure de données sarotra be sahala amin'ny "arbre": mila récursivité na structure pile ihany koa ny fikirakirana ilay "arbre de jeu". Sa ve ny moteur atao dll amin'ny VC++6? Mila multi-threading ihany koa, satria mety ho ela ny génération-n'ilay arbre sy ny évaluation-ny: indrindra indrindra amina iPDA sy ny SmartPhone satria dia processeur 500Mhz na 800Mhz no ho ampiasaina. Amiko dia ireo noteneniko farany ireo no défi tokony ho resena, dia rehefa misy produit vita anie azo hatsaraina amin'izay ny endriny e, ampidirina @zay ny SilverLight4 na mety ho efa 5.

Tsy haiko na mbola mazoto ihany xranto sy ny namana rehetra eto, fa izay aloha no hevitro sy ny expériences-ko. Dia mahereza daholo indray ary e! nainafranckyahoo.fr

Tsara aloha ilay hevitra hoe ilay motera hatao amin'ny .Net tsy miankina amin'izay IHM, dia avy eo mampiasa izay teknolojia tiana ampiasaina azy asp.net , WPF, XNA, Silverlight sns....

Raha ny hevitro manokana aloha dia C# no tsara hanamboarana ilay laminasa.

momba an'ilay incompatibilité ascendante ity misy article.

Slt daholo,
Eto aloa dia mbola tsy haiko izay fanapahan-kevitry xRanto, na hanohy ny lalao fanorona na tsia. Satria toa mbola tsy nisy vahaolana itako mihitsy natolo-tsika ho an'i xRanto. I xRanto milaza fa tsisy olana ny fanamboarana ny jeux fanorona fa ny blem dia izy tsy mahay milalao fanorona (Mianara aloha fanorona) dia avy eo mijereva ny algo "min max" araka ny tenin'i NiainaFrank miaraka @ "coupe alpha-beta".
Tsy fantatro aloha na ahoana na ahoana ny performance le jeux fanorona nataon'i ISPM sy ENI, fa raha sahala amiko, tsy mora ny ahavitana lalao fanorona. Tsy mitovy @ jeux d'echec izy. Raha arahina ny lalanan'ny fanorona, dia sarotra ihany ny ahavitana azy.
Tsy hoe mahavita fanorona miaraka @ moteur iray dia izay no ilazana hoe mahavita moteur fanorona IA. Ilay moteur ve manaraka ny lalanan'ny fanorona? ny niveaux IA ve ambony ? Sahala amiko manokana, mahita jeux fanorona maro za, misy ny jeux sasany raha vao manetsika pion iray ianao dia tsy mahazo mijanona raha tsy efa tsy misy azo hanina intsony (izany zao dia efa tsy fanorona), misy indray tsy mahazo mihinana afa-tsy indray mandé ihany. Misy indray tsy intélligent akory ilay jeux (lasa mahakamo ny milalao aminy). Ireo rehetra ireo anefa tokony jerena akaiky raha hanao jeux fanorona, amiko zany mila olona maromaro miaraka mba mifanakalo hevitra.
Za moa efa niteny ihany ny hananganan'i xRanto communauté fanorona, fa i niainaFrank zao milaza ny hamokatra jeux fanorona à VC++.Net, maninona raha miaraka manangana azy ? Za aloa tsy manana doute @ niveau-n'i niainafrank, fa bandy fantatro tsara ianao, ianao mety tsy mahalala ahy fa za mahafantatra tsara anao sy ny fahaizanao C++ (asa na mampatsiahy zavatra anao ny teny hoe Astrum? ;-) ), fa mba tiako fotsiny hoe misy communauté mba hanangana zavatra iray tena manaraka ny tokony ho izy.
Za aloha sarotiny mihitsy, rehefa manao zavatra iray dia atao araka ny tena izy.
Ilay izy aza atao resabé fotsiny fa mba tena raiketina, sa ahoana ry xRanto ? Ny min-max sy ny alpha-beta dia tsy sarotra fa ny fonction evaluation pour un situation jeux donnée no somary manahirana.
Marihiko kely fotsiny ny mahasarotra azy @ jeux stratégika sahala @ echec :
1 coup Joueur1 -> 1 coup Joueur2 -> 1 coup Joueur1 -> ... (dia mora ny manangana ny arbre du jeux [un joueur ne peux jouer qu'un coup à la fois])
Fa ny fanorona :
1 coup Joueur1 -> 1 à n coup Joueur2 (Joueur2 peut jouer 1 coup ou s'arreter à n coup avant de laisser le jeux au Joueur1) -> 1 à n coup Joueur1 (Joueur1 peut jouer 1 coup ou bien s'arreter à n coup avant de laisser le jeux au Joueur2) -> ... (somary manahirana ny arbre du jeux).


switch(me)
{
case null: 1 + 1 = 1;
default : me = !Einstein ;
}

efa misy fanorana vita ny bandy akama izay natony taminy python fa zaho indray de manao anazy full web izay atao entierement en javasript

Quote:
misy ny jeux sasany raha vao manetsika pion iray ianao dia tsy mahazo mijanona raha tsy efa tsy misy azo hanina intsony (izany zao dia efa tsy fanorona)

Euh, fa ny fanorona moa mahazo tsy mihinana angaha?

-----
"Tsiky dia ampy"
Mila blaogy?
http://blaogy.com

Mahafinaritra ny mahita anareo miady hevitra teknika mba hanomezan-danja ny vakoka malagasy, izany ka tena infogasy.
Fa ny fanorona moa ahoana marina? Misy fitsipi-dalao samihafa isam-paritra izy io, ny ahy indray tsy hoe ianareo mpi-dev no handeha hianatra fanorona (tantara lava io) fa aleo maka an'ireny mpilalao efa matianina ireny hakana hevitra sy hatao beta-testeur. (manana betsaka isika amin'io).
Ary tonga de ataovy matotra sy milay be ny IHM.
Ny nofy ratsiko manko de sao indray andro any ka lasa ry UbiSoft no mahavita, sy tena malaza amin'ity fanorona ity.
De eo ialahy no raisina eo.

Quote:
Euh, fa ny fanorona moa mahazo tsy mihinana angaha?

tsy mahazo mandà homana, fa mahazo mahalala voky :-)

slt!
Ato zalà misy blem sur fanorona devellopé en php. Entre 2 joueurs tsotra ihany fa contre machine loza mitatao en ; sao de misy azon'areo anampiana hely fa kely ny fotoana sisy tavela hanaovako presentation.

Miarahaba atsika rehetra ato am infogasy alo é! vo zao aho no nahafantatra ny fisian'ity site ity. gaga sady faly aho raha nahita fa betsaka ny gasy no tia programmation(noeveriko fa izaho irery no adalan'io). Mikasasika an'ny le fanorona indray, izaho efa ela no nanana fikasana hamorina azyio fa tsy misy namana. "Arson Raheriniaina" no anarako am facebook ka mba andefaso demande amzay tsika afaka mireseka tsara. misy Groupe noforoniko koa ao am facebook ao "PROGRAMMEUR MALGACHE"

Ny zavatra tiako ho marihana kely fotsiny dia aza afangaro dia ny hoe manamboatra logiciel jeu hahafahana milalao sy ny manamboatra motera na jeu izay afaka milalao (game theory)

- Ilay voalohany dia fi implémenter-na reglement : zany hoe ny couche na regle mora atao ary ampiana couche graphique manaingo azy

- Ilay faharoa dia implementation na stratégie - zany hoe resaka mila langage mora hanoratana algorithme.

sali daholo,

mba nanao fanorona kely ihany ny tena ato no misy azy http://home.gna.org/fanorona/download.html
Efa ela tokoa izy io no natao, izy dia vita tamin'ny python ary tsy dia sarotra loatra ny code ao aminy fa mbola mianatra e.
Raha misy te hanoy dia lazao de omena accès svn raha hitako no nanaovako azy.

veloma e

Haisy mahafinaritra, masaka e

Ity misy version fanorona, mbola C++ fotsiny aloha no nanaovana azy ity (tsy mila directX na openGL na Dotnet).

http://www.mlgsofte.com/Logiciels.htm#fanorona

Tena efa nanao version moteur dotnet ry zareo, fa tena ela be ny exécution, angamba noho izy mbola mandalo machine virtuelle fa tsy tonga dia codes exécutable traiter-n'ny processeur. Ny fikirakirana ny memoire mandritry ny arbre de jeu no tena loza, satria tsy fantatra hoe rahoviana ny garbage collector-n'ny dotnet no mamafa ilay memoire tsy ilaina, dia lasa ela-be ilay jeu (indro kely), tafakatra 1 giga ny ram ilaina, dia tsy tafavoaka.
Ny moteur dia débutant sy avancé, fa mbola tsy nisy niteny hoe naharesy ny avancé, f'efa miketrika ny expert indray hono ny MlgSoftE® raha betsaka ny maharesy ny avancé, dia avoaka indray ny niveau expert.
Mahereza daholo e!

manao ahoana e
misaotra betsaka nizara, fa mahafinaritra mahita Malagasy mahavita zavatra ohatra an'izao.

Raha mitady performance aloha aleo mijanona code non managé e, fa azo hatao tsara ny manao hoe motera C++ dia ny vatany .Net (XNA ohatra raha WP7).

Izaho aloha tsy dia tena miditra lalina be intsony a min'ilay DEV, fa raha mahavita fanorona WP7 nareo dia hatao manaraka norma market place microsoft dia hapetrako maimaipoana amin'ny market place MS.

Fa amin'izay fotsiny hapetraka amin'ny serveur matanjaka iray ny motera C++ dia misy Webservice .Net manao interface, fa ny idealy moa izany dia hatao anaty Cloud Computing mihintsy fa mbola tantara mitohy.

xranto>>Momba ilay fanorona aloha de efa nahavita aho fa ny olana fotsiny amiko amizao de le hanaovana azy en reseau ka mety afaka hifanampy v isika @ zany. Java sy C++ no langage ato

sali daholo,

efa mieritreritra hanao serveur fanorona aho fa mbola mieritreritra, izao ny hevitro:
Peer to Peer no hanaovana azy tahaka ireny torrent ireny. Misy serveur central dia eo no rendez-vous dia avy eo entre ny clients rehefa tafapetraka ny connexion.

Misy koa ilay hoe websocket raha en ligne no milalao ilay olona fa tsy gui standalone ny client.

Sode misy hevitra hafa ?

Raha ny amiko aloha dia aleo atao tactile tanteraka ilay fanorona, atao sous XNA, mba mety hatao @ microsoft market place ary mandeha Android koa ka Wi-Fi no ampiasaina

Bonjour indray,
Tsara daholo ny hevitsika rehetra, tena mampibitabitaka ny technologie amin'izao fotoana izao, indrindra fa ny mikasika ny mobile.

Lasa GRATUIT ny http://www.mlgsofte.com/Logiciels.htm#fanorona
Dia entina zaraina eto amintsika, mba hanaovana fampitaha "intelligence moteur"
Milalaova finaritra daholo

Misaotra betsaka an'i nainafranck amin'izay.
Raha ohatra ka mahavita version Windows phone 7 nareo dia afaka avokako ao amin'ny marketplace, mbola manana licence 1 an za mantsy.