Ireo kirakira manamora laminasa aterineto.

Maro ireo kirakira izay mety hanampy anao amin'ny fanatsorana ny fanamboarana laminasa aterineto.

Anisan'izany ohatra ny Bootstrap izay Framework iray ahafahanao milalao tsotsotra ny CSS fa indrindra hanamboarana laminasa hanaraka ny hatao hoe responsive Design. Izany hoe mifanaraka ho azy amin' izay fitaovana hijerevanao azy: Solosaina, finday, sns...

Mampiasa ny fitenenena Less CSS izy io, manatsara ny fomba fampiasana CSS. Misy ihany koa ny Sass CSS mitovitovy amin'izy io ihany koa fa anjaranao ny mijery izay tianao hampaisaina.

ASP.Net MVC 5 moa dia mampiasa an'io Booststrap io fa efa miraikitra ao anatiny ny famolavolana ny Less CSS.

Azonao hatao ny mampiasa fitaovana Brackets raha toa ka tsy mampiasa Visual Studio 2013 ianao.