Mandray, Mizara, Mifanampy - Fahalalana, Traikefa, Fikafika, Vaovao
Afaka manoratra ao amin'ny forum sy wiki ianao, raha mila mihoatra izay dia ilazao fotsiny ;-)

-->> Eto ny fisoratana anarana <<--

Fametrahana Android anaty PC

Sujet: 

Salama daholo

Faly miarahaba antsika rehetra tratry ny taona 2014, holavitry ny Virus ary hanakaiky ny fiadanana.

Nisy lalao Angry Bird Go izay tian'ny ankizy holalaovina anaty Tablet kanefa tsy mandeha amin'ilay Tablet-dry zareo ilay izy.

Dia ny vahaolana hitako izany dia mametraka Android anatin'ny Windows 8 mampiasa Virtual Box.

Eto ny rohy raha hanandrana izany ihany koa ianao.

Ny hoavin'ny Teknolojia Microsoft

Sujet: 

Manomboka voasoritra tsikelikely ankehitriny ny hoavy, raha ny resaka teknolojia Microsoft no jerena.

Raha fintinina dia lasa any anaty rahona daholo no misy ny kirakira rehetra, EDI (Visual Studio Online), base de données, Windows Azure, sns....

Noho izany tsy voatery intsony ianao hanana solosaina mantajaka be, fa rehefa manana aterineto matanjaka tsara fotsiny dia mety.

Minitra vitsy fotsiny dia vonona ny fitaovana rehetra ahafahana hiasana, ary izay hampiasaina ihany no haloa vola.

Chrome To Phone

Sujet: 

Salama daholo
Misy laminasa Google hitako tsara inty, zaraiko aminareo

Indraindray mantsy amin'ny orinasa voasakana ny tranonkala sasantsany anisan'izany youtube. Dia ny vahaolana raha manana finday Android ianao dia Chrome to phone.

Hapetraka ny Extension Chrome to Phone amin'ny Google Chrome ny solosaina, dia laminasa amin'ny finday dia lasa zao....

Android HUD

Sujet: 

Hoan'ireo izay manana fitaovana mampiasa Android dia misy "Application" hatsoina hoe Navier HUD Navigation azonao hapetraka maimaipoana.

Hapetrakao eo amin'ny "Tableau de Bord" ilay finday ohatra, dia lasa mivoaka amin'ny fitaratra alohan'ny fiara ireo vaovao isan-karazany. Rehefa somary malomaloka na harivariva iny ny andro no tena mivoaka tsara ilay izy.

Laminasa Windows 8

Sujet: 

Manao ahoana daholo e!
Elaela kely indray tsy nandalo, fa vao avy nametraka Visual Studio Express 2012 aho io teo ambon'ny Windows 8.
Nanandrana laminasa tsotsotra ka toa izao ny vokatra hita rehefa tonga amin'ny "Acceuil" ny Windows 8.

[Java] GWT (Google Web Toolkit)

Sujet: 

Efa nikirakira Java kely ihany aho taloha fa hitako nananosarotra ny fikirakirana sy fametrahana azy.
Akory ny hagagako raha nanomboka nilalao GWT aho, tena tsotra tokoa ny mametraka azy anaty Eclipse sy mamorona laminasa iray vaovao, ary indrindra ny mandefa azy.

Inty ny rohy ahazahoana ilay plugin Eclipse

Ny ahy moa izany Eclipse 3.7 (Indigo) dia inty no nampiasaiko http://dl.google.com/eclipse/plugin/3.7

Mila mandeha ao amin'ny Menu Help/Install New Software dia hapetraka eo ilay rohy dia lasa zao....

Rehefa vita zay dia ireto ny avy ny kirakira hatao.

1°/Manamboatra laminasa GWT vaovao
New Web Application Project

rehefa vita io dia misy varavarakely misotra,hametrahana ny anaran'ilay laminasa sy mombamomba azy.

Pages

Subscribe to Informatika Malagasy RSS